FILOHAN’NY FILOHA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fahatsiarovana ilay filoha teo aloha nanary ny zom-pirenena malagasyIanao no sisa andrasana
Ry Macron filohako
Fa raha zay malagasy
Tsy misy iasan’ny lohako
Efa mipetrapetraka
Ny lamina rehetra
Ny “loto” efa nahilika
Mba tsy hita hoe “voretra”
Ny tetik’asantsika
Ampahany no vita
De io teleferika
Iarahana mahita
Efa misasatsasaka
Ireo asa fanadiovana
Nesorina avokoa
Ireo fako nisavovona
Nomeko baiko moa
Reo mpiasan’ny kaominina
Hanala ireo mpivarotra
Manemotra ny ville
Fa misy ireo tsy faly
Nanohitra izany
Nantsoiko ireo zandary
Hamoritra avy hatrany
Ireo mitady hitsipaka
Ny baiko sy ny didy
Tsy maintsy indray haripaka
Tsy avelako hisafidy
Soa ihany fa tsy haharitra
Lay ijanonanao
ndrao Lasa voatsikaritra
Reo disa mankalao
Raha ny any Toleara,
Mitarika korontana
Reo tsy manaiky ny asa
Hitondra fanavotana
Lazainy fa manimba
Ny seha-pamokarany
Lay orinasa hapetraka
Zay tokony ivelarany
Dia sahiny mihitsy
Ny ho faty ho amy taniny
Reo Tafika nalefako
Tsy ekeny sy sakanany
fa ankoatra izany moa
dia misy ireo mpanohitra
manararaotra koa
mitetitety vohitra
Handraisako fepetra
Samboriko, gadraiko
Am-ponja vao mitsetra
Zay mazan-doha …vitaiko
Fa tena manahirana
Lay famarotan-tany
Na any an-kodimirana
Dia mbola tratra ihany
Lay nosy Sakatia
Zay tena ahazoana vola
No misy sakantsakana
Tsy ahafahana midola
Reo mponina ao mihitsy
No tsy manaiky hiala
Ka andraisako fepetra
Rehefa manadala
Fa iza moa ireo
no sahy manozongozona
Ty fanjaka-mahefa
zay mafy toy ny trozona?
Ankehitriny aloha
Dia ahy ny fahefana
Ampihariko avokoa
Ny didy aman-dalana
Tsy maintsy omeko laka
Lay nampanjana-tany
Fa ireo no andriamanjaka
Tompoiko sesilany
K’ Ianao no sisa andrasana
Ry Macron filohako
Raha Gasy tsisy hahasakana
Zay tetika ato an-dohako
AORN
07 APRILY 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
