HISINDA VETIVETY (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anareo malalakozay tena tiako indrindra
ty hafatro eto ity
Naleoko aloha nisitaka
mba hakahaka saina
satria ty onjam-piainana
maningotra ny aina...
raha toa ka tezitra aho
dia aza omena tsiny
indraindray mirediredy
tsy tena toetrako iny
fa misy fo marary
manindrona tsy tohana
mandraiky mankanavy
Na mety ho mahatorana
tsy hanamarin-tena
fa misy koa tsy zaka
Ny teny izay mivoaka
miaraka amy latsa
tsy sanatria hitsara
fa mety ho samy diso
kanefa moa ny lela
azo avadika im-pito
aloha'ny itenenana
mba tsy hisy fanenenana
Matoa nanapa-kevitra
hisinda vetivety
dia tena mafy loatra
ka ny mandao no mety
kanefa koa famaizana
an'i neny misy toetra
mitady olon-kafa
d'izaho no manjoretra
mba efa niala nenina
nanao zay azo atao
fa tsisy fiovany
lay mitady "dada vao"
ekeko fa sahirana...
izaho mbola tsy an'asa
fa efa mba mikaroka
mitety ny orinasa
ka izay no tena olany
fa any an-kafa mihitsy
lay fitiavany no atolony
Dia aleo aloha hisinda
Hiala lavidavitra
hangataka fotoana
kanefa tsy maharitra
angamba amy zay
mba ho tsarovany ihany
ty dada malahelo
sy latsaka tomany
AORN
09 JOLAY 2023
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
