I NENY SASA-MIANDRY (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rafaralahy o! aiza ianaofa sasa-miandry reninao
Malahelo mitoreo
ary tsy andrenesam-peo
raisiny tam-po daholo
reo tranga nisy manontolo
ianao sy dada nifamaly
satria tsy satrinao hijaly
lay reny miaritry ny mafy
zay maty vono nefa miafy
ka nandefitra eny foana
tamin'ny ora sy fotoana
efa maromaro izao
Rafaralahy o! aiza ianao
sa nirifatra nandao
tsy te hiherika intsony
ny ferotr'aina lonilony
F'i dada moa rehefa mamo
tena mampahita angano
mampisotro izay mafaitra
Miteny ratsy toa tsy laitra
Ompa ozona sy latsa
raha tsy izany dia mandratra
dia i neny no anaparana
atao mahalala ty anarana
efa an-taona maro izao?
Rafaralahy o! aiza ianao
mba modia re izao dia izao
f'efa tena mafy loatra
nefa tsy afaka ny hitroatra
'lay neny manantena anao
hitondra rivo-baovao
ndrao mantsy hanenenana
raha toa ka tojo fanaperana
ka mila tsy hahazaka intsony
dia ho vizana ny fony
ka miverena raha azo atao
fa tena miandry reninao
efa andro maro izao
AORN
23 MARTSA 2001
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
