MATY LAY MANANONTENA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noana izy dia tolefika
Lasa hatramin’ny ambiroany
Efa nihoatra izany fefika
Ka nanenika ny lohany

Omaly hariva no tsikaritra
Fa tsy nihinana intsony
Tsisy ininona azo harapaka
Tsisy ininona tsaroany

Nisy ihany ireo mpandalo
Nangatahany sakafo
Fa nandray toa fahavalo
Na nandoro ho toy ny afo

Raha zohiana izato lasany
Olona mananontena
Sy voaroaka tamin’ny asany
Nivarilavo mahonena

Dia nilofika ny satany
Tsisy fofon’aina intsony
io nitsipaka ny vatany
Fa nijanona ny fony

AORN
05 AOGOSITRA 2019
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
91 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151