NY ATY AMINAY (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny aty aminay moa zalah hafahafaManova famindra rehefa mba tafa
Ny mainty tarehy te hivadika fotsy
Mba te ho vazaha moa ka de manonofy
Mampiasa karazana menaka maro
fa te hisongadina tsy hifangaro
dia mihevitra fa tena manja aok’izany
hoe zana-bazaha mba tsy ho latsaka ambany
Ny aty aminay moa zalah mampiomehy
Ireo tapany koa te ho matretre
Vidiana fitafy zay lafo sy raitra
Mba te ho beau gosse sy tena manaitra
Ny an-tanana anefa amin’io maty sasaka
Satria ny karama amin’io vary masaka
Fa tsy raharahiana izay tohin’izany
Rehefa mba tapaka ho hita eo ihany
Ny aty aminay moa zalah mahavariana
Fa ireo manan-bady dia mbola sondriana
Fa any am-piasana manao adalana
Dia ifaninanan’ny akamakama
Anio an-dRabe fa rahampitso an-dRakoto
Dia samy jambena amy lalao maloto
D'ilay any an-trano no mampahonena
Fa lay olon-tiany kay mivaro-tena
Ny aty aminay koa mandreraka ihany
fa misy ny fiainana mampitomany
Ireo olona tsotra sy tsy manan-tsiny
Dia toha-piakaran’ireto vahiny
Ny tany zay lova niasana hatrizao
Havadika ho an’ireo manan-katao
K’ireo tompon-tany no mangasihasy
Fa efa voasoratra an-taratasy
Ny aty aminay ho'aho tenenina foana
Fa efa dradraina, mandavana taona
Hoe mila miova ny saina sy toetra
Aleo mba hialana ilay kozy voretra
Andao mba hiverina toy ny taloha
Ho gasy mafy orina, mafana fo
Ny Ntaolo tsy adala raha toa nanambara
Fa manana ny hasiny ity Gasikara
AORN
07 JONA 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
