NY FARAN'NY HERINANDRO (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny faran'ny herinandro raha toa ka sitrakaoDia hatokano kely ho an'ny zanakao
Izaho mahay mandefitra, tsy hisisika aminao
satria natositosika, soloina vaovao
Fa ireo ankizy ireo, mba te hahita anao
Ka farafaharatsiny tsy atao ankilabao
Tsy fidiny azy ireo, zay fandehananao
Nisitaka ny akany, fa mbola hilalao
Dia tadidio hatrany, fa zanakao ireo
Ka aza atao tsirambina fa mba henoy feo
Ny anao raharaha tadiavina, zakao re izay miseho e!
tsinjovy ireto ankizy, zay misy aloha ekeo
Ny faran'ny herinandro raha toa ka vitanao
Dia hatokano kely ho an'ny zanakao
izaho tsy mankahala izay mety ho vadinao
fa ireto aloha no adidy, efaina ka zakao
AORN
18 SEPTAMBRA 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
