NY FARAN'NY HERINANDRO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny faran'ny herinandro raha toa ka sitrakao
Dia hatokano kely ho an'ny zanakao
Izaho mahay mandefitra, tsy hisisika aminao
satria natositosika, soloina vaovao

Fa ireo ankizy ireo, mba te hahita anao
Ka farafaharatsiny tsy atao ankilabao
Tsy fidiny azy ireo, zay fandehananao
Nisitaka ny akany, fa mbola hilalao

Dia tadidio hatrany, fa zanakao ireo
Ka aza atao tsirambina fa mba henoy feo
Ny anao raharaha tadiavina, zakao re izay miseho e!
tsinjovy ireto ankizy, zay misy aloha ekeo

Ny faran'ny herinandro raha toa ka vitanao
Dia hatokano kely ho an'ny zanakao
izaho tsy mankahala izay mety ho vadinao
fa ireto aloha no adidy, efaina ka zakao

AORN
18 SEPTAMBRA 2022
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
256 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126