OLOMBELONA IHANY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny andro ary ve no mitanika orana
No manjombon’ila zay rehetra jerena
Sa kosa lay foko no mangorangorana
Ka lasa ny maso no zary jambena?

Ny fo malahelo mikiky ao anaty
Mamorona sento mamboly ahiahy
Ny saina mikiry fa tsy mahatanty
Voakitika hatrany amin’ny aty fanahy

D’injao fa mirotsaka ny ranomaso
Fa efa mitobaka tsy azo fefena
Raha miaina eto an-tany tsy ilazan’ankaso
Fa Mbola olombelona ihany ny tena

AORN
26 AOGOSITRA 2001
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
90 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143