Ampidiro aloha ny tenimiafina
REVIN'ILAY MPIVARO-KOJAKOJA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako foana foanatsy maty tato an-dohako
fa lasa sary an-tsaiko
ianao ilay vao niserana
teo alohan'ito tsenako
nanintona ahy toa tsy aiko!!!
angamba saika hividy
zay kojakojam-bika
fangaro misaritaka...
ny masonao nipalotra
no sendra tojo ny ahy
ny foko ...nipatitaka
naninona ary ianao
no tsy mba niady varotra
na koa mba nanotany?
raha toa ka nisy izay
nomeko tsy vidiana
fa foiko anao izany
ny hany tonom-bavako?
"Enga anie ianao..
tsy hahita raha mitady"
de hiverina eto an-tsenako
arahan-tsikitsiky...
toa tsy andriko sahady!!!
AORN
04 DESAMBRA 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
rina15
