RY TAKARIVA MIAVAKA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry takariva miavaka, iriako tsy ho tapitraHifaly indray ny foko an'ilan'olon-tiana
Meteza ianao hateza ho tontolo mahafinaritra
Hangoaka hasambarana, ho tsirim-pifaliana
Ry takariva miavaka, hamborahako tsiahy
Milamina ny saiko fa tsy misy hanoha randrana
Tomoera foana ihany, hampitony ny fanahy
fa ny andro tsaranao no fototry ny fahombiazana
Oay?
Ry takariva miavaka... fa dia nahoana loatra?
Nalefanao ny alina, dimbiasan'ny maraina
Hanomboka eto indray ny disadisa mampitroatra
Hiatrika ady sarotra zay hampiferin'aina
AORN
23 MAI 2024
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
