RY TAKARIVA MIAVAKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry takariva miavaka, iriako tsy ho tapitra
Hifaly indray ny foko an'ilan'olon-tiana
Meteza ianao hateza ho tontolo mahafinaritra
Hangoaka hasambarana, ho tsirim-pifaliana

Ry takariva miavaka, hamborahako tsiahy
Milamina ny saiko fa tsy misy hanoha randrana
Tomoera foana ihany, hampitony ny fanahy
fa ny andro tsaranao no fototry ny fahombiazana

Oay?

Ry takariva miavaka... fa dia nahoana loatra?
Nalefanao ny alina, dimbiasan'ny maraina
Hanomboka eto indray ny disadisa mampitroatra
Hiatrika ady sarotra zay hampiferin'aina

AORN
23 MAI 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0231