TAN-TSEKOLY (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako tan-tsekolyIlay iny vao nisantatra
Ny ambaratonga fototra
Fa hoe tsy maintsy mianatra
mba toy ny zaza maro
mandranto fahalalana...
kanefa izaho indrisy
fa zary nihanahana
tsy te hiroso akory
handingam-baravarana
fa zatra notantanana...
Nipitrapitra irery
Nangalatra fijery
no sady te hiantso hoe:
aleo aloha tsy androany
fa tena mbola mafy
ny hisaraka amy Neny
zay fiantsoko ombieny!!!
Tsaroako tamy izany
fa vao voadona kely
tsy maintsy nitomany
dia iny fa mitatitra
mankeny an-Dramose
ka izay mahery setra
voakapoka amy fe
Na koa indraindray
ilay mofo tsara pirina
no nisy iray nisikotra
ka de mangasihasy
rehefa fakan-drivotra
tsy mihinana gouter!
Fa mantsy koa tsaroana
Rehefa mba mahazo
ilay naoty tsaratsara
dia tena faly foana
ka tsy andry izay hodiana
dia maika ny hitantara
fa tsy manaiky ho tara
Tsaroako foana koa
na teo ny adiady
zay taminay ankizy
dia tsy natao am-po
fa tonga indray ny ampitso...
dia lasa milalao
ka lasa mifanenjika...
zay "boka" no manao
zay fandrika sy tetika
mba ahazoana anao...
Dia toy izany hatrany
lay fiainana an-tsekoly
Nanao ambony ambany
kanefa nahafaly
sy koa nampiala voly
AORN
05 MAI 2013
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina
Fans:
rina15
