TAN-TSEKOLY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako tan-tsekoly
Ilay iny vao nisantatra
ny ambaratonga fototra,
Fa hoe tsy maintsy mianatra
mba toy ny zaza maro
mandranto fahalalana...
kanefa, izaho, indrisy
fa zary nihanahana
tsy te hiroso akory
handingam-baravarana
fa zatra notantanana...
Nipitrapitra irery dia
Nangalatra fijery
no sady te hiantso hoe:
"aleo aloha tsy androany"
fa tena mbola mafy
ny hisaraka amy Neny
zay fiantsoko ombieny!!!

Tsaroako tamy izany
fa vao voadona kely
tsy maintsy nitomany...
dia iny fa nitatitra
nankeny an-Dramose
ka izay nahery setra
voakapoka amy fe

Na koa indraindray
ilay "mofo" tsara pirina
no nisy iray nisikotra
dia eo mangasihasy
rehefa fakan-drivotra
tsy mihinana gouter!

Fa mantsy koa tsaroana
Rehefa mba mahazo
ilay naoty tsaratsara
dia tena faly foana
ka tsy andry izay hodiana
dia maika ny hitantara
fa tsy manaiky ho tara

Tsaroako foana koa
na teo ny adiady
zay taminay ankizy
dia tsy natao am-po
fa tonga indray ny ampitso...
dia lasa milalao
ka lasa mifanenjika...
zay "boka" no manao
zay fandrika sy tetika
mba ahazoana anao...

Dia toy izany hatrany
lay fiainana an-tsekoly
Nanao ambony ambany
kanefa nahafaly
sy koa nampiala voly


AORN
05 MAI 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
215 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 24/03/2026 12:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125