TE HO TIANA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny saiko nisisika te hahafantatra
Baikon'ito foko tsy mety mitony
mba te hanantena ny fonao ho santatra
ka tsy hierikerika an-kafa intsony

dia isaky ny alina tsy tafatory
manao sary an-tsaina mamihina anao
ny sento manempoka mamolivoly
fa tsy misy ininona azoko atao

Tsiriry am-parihy toa nilaozana tiana
lay foko tomany sy miaritra anaty
ny saiko torovana maminaviana
ny aiko efa drodroka mila tsy hahatanty

AORN
02 JONA 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
581 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 23/03/2026 07:20)
Ekena Ikalamako a!! Mankasitraka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 24/09/2025 05:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0245