TSY NAMBARANAO AHY (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy olona nandalo
Sy niserana aninkeo
Nitovy loatra taminao
Na fiteny na fihetsika...
Toa somary kaodikaody
Te hamantamanta-javatra
Fa ny nahazendana ahy,
ny fijeriny tsy miato
'Lay sarinao nihantona etsy…
Fa tsikaritro ihany koa
Ny masony nanganohano
Toa mitory alahelo
Tsy haiko aloha izay tena heviny...
Fa ny tena azoko antoka
Mbola misy zava-miafina
Mipetraka ho mistery
Tsy nambaranao ahy
Fa koboninao irery
Asa…mandram-pahoviana angaha
No hamantarako ny marina
Mikasika anareo roalahy?

AORN
05 JONA 2011
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
417 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 15/03/2024 18:13
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0202