VELOMA MAMY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natokako ho an'ilay namana fony fahakely, Mamy Randrianasolo, nandao ny tany ny 15 jona 2026

Mamy,
Fa nahoana sady moa, no malaky ny handao?
Sa ve vita izay anjara nanandrify taminao
Raha ny sitrapoko leitsy, mbola hiriaria hatrany a
Saingy lahatry ny Ray no arahana eto an-tany

Raha lazaiko misimisy, reo tantara nahatsiarovana
Dia ialahy ilay tia nikiry, ka tsy kivy na torovana
Fa ny nampitolagaga, sy nampiaiky ny rehetra
Dia ialahy lay tia nampiavana, ary tsy nanisy fetra

Fa tsaroana ialahy fahiny, rehefa sendra tafahoana
Niaraka amy ireto akama, zay tsy niala teny foana
Dia tsy adino reo lalao, tao ny karatra sy ny daomy
Mandrank’alina tontolo, sady tsy mba mety laony

Fa raha nisy toetra tsara, azoko ambara etoana
Dia ilay fahatsoram-po, tsy voakosoky ny taona
Tsy mba zatra niolakolaka, fa avy hatrany dia miteny
Tsy mba tia mikonokonona… tsy fanaon’ialahy ireny

Ankoatra ireo rehetra ireo, lay hany tena nampiavaka
Rehefa tonga ny alahady, dia tsy adino ny mivavaka
Tonga vao mangiran-dratsy, migadona ao Manjakaray
Mba hamonjy ny lamesa, ilay hany tena mampiray

Raha teo anivon’ny Paroasy, dia fikambanan’ny Tanora
No nampavitrika an’ialahy, sady tia nanaja ora
Betsaka ny fampianarana, azo tamin-dry Mamera
Ireo karazana asa-tanana, sy fomban-tserasera

Raha fintiniko ny teniko, dia olon-tsotra ialahy ra- Mamy
Saingy miavaka amy maro, mety ho tokana aman-tany
Ho fitaratry ny hafa, izay tsara vita hatrizay
Dia hijoro koa I Mandresy, ka handimby anaran-dray

Eto aho vao tonga saina, matoa ialahy mandao ny tany
Dia izay no lahatry ny Tompo, na dia hoe mampitomany
Ho tonga soa anie ialahy, am-paradisam-pahasambarana
Fa izahay tavela eto, no hanohy izato lalana


AORN - 16 JONA 2026
--------
Lien:
22 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185