VOABAIKO (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firifiry zay ny tranga
Nampitolatola-gaga
Niseho lany tato ho ato
Fanondranana harena
Sokatra sy andramena
Miampy ireo karazam-bato

Dia 'reo tompomenakely
No manao zay tsy hampiely
Ny vaovao zay tena marina...
Miezaka mamono afo
Ka tena sahy mividy lafo
Zany lainga tiana amboarina

Dia lazainy f’efa miasa
Reo sehatra sy sampan’asa
fa hoe: "mitady ireo mpamatsy"
Saingy indrisy maty momoka
'Reo mba asa izay natomboka
Fa voabaikon’olon-dratsy

AORN
11 JANOARY 2024
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
514 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 20/03/2024 11:56
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0146