ZORY!!! (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hifamaliako akory, na ho asiako tsindrim-peo
fa havelako malalaka
va tsy vokatry ny fo, sady zary mankaleo
lay safidinao hisaraka?

Na ny manodidina aza, efa be ny mahatsikaritra
fa misy zavatra kononina
nisy olona nahita, anareo nifampitantana
fa tsy misy sahy mitonona

mantsy izaho tsy dia sarotiny, raha tsy anjara ny fitia
ka tsy hamakiako loha
raha ianao no tsy tamana, zovy moa no andeha hisakana
zay fisarahantsika roa?

Fa ny hafatro aminao, mahaleova mahalasana
ndeha hizory zato lalana
raha ny antsika no tsy anjary, any an-kafa indray mitady
hikatsaham-pahasambarana


AORN
17 SEPTAMBRA 2007
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
8 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127