Ampidiro aloha ny tenimiafina
tsy poety aho (Ari Ira)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....dia nijoro ho fahavaloko ilay mpamaky nanantenany hahita zavatra hafa tao amin'ilay novolena,
ka indro izaho fa nohampangainy;
nororàny sy nompainy.
Dia ny tononkaloko ihany no natsangany hamely ahy,
ka avy izy dia nihiaka mafy hoe poety bado ialahy...
tsy poety akory fa mpanoratsora-poana;
tononkalo tsy izy, tononkalo moana!!!
Fa ialahy miseho ho poety, hoy izy, nefa tsy izy
izay mba poezin'ialahy? Ady riman'ny ankizy
sarisarin-drediredy, fehezan-tenin' hadalàna.
Tsy ho poety mihitsy ialahy, hoy ihany izy, niha-krizy
ny anjara asan'ny mpanoratra tsy kilalaon'ny ankizy
fa asa matotra sy sarotra, satria andry iankinan'ny tanàna...
--------
Lien:
Catégorie :
Mpanoratra
Fans:
Ulrichandry - absolu
Commentaires
ragasyh
(
22/11/2014 06:41)
Ankafiziko e!
