Voady (Atonamia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diavolana n andro, takariva zary maina
Mivenjiveny ny fanahy, mahatsiaro sombinaina
Lavitra tsy hita maso, lavitra tsy hay hatonina
Miandry anao fona ny foko, miandry anao hiara monina

Mamerimberina ao antsaina, mitsiky sy mamisavisa
Irony andro niarahana, ny oroka tsy voatanisa
Averimberiko etoana, ho ren'izao tontolo izao
Tia anao tanteraka aho, tia anao tsy mba ho lao

Atokako ho anao ny foko, ho anao tsy ho zaraina
Ampatsiahiviko aminao, ho anao tsy an-kalaina
Vonona ny hanao sorona, hitia anao hatrany hatrany
Ny voadiko aminao ry tiako, dia fitia tsy mba ho lany

N'inon'inona midona ninoninona hitranga
Ho eo anilanao aho hameno reo zay mety ho banga
Hampahasambatra anao hanome fifaliana
Ianao irery no ho ahy ianao foana no ho tiana

Andriamanitro arovy, ankiniko Aminao ny fiainany
Arovy lalandava Tompo, henoy raha misy fitarainany
Izay mety fahatsiarovanao, tokony natao ho ahy
Hitsimbino azy re, hihainany tsy am-panahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1543 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
mangidy ( 01/03/2009 18:35)
ntsonalé e! mampi snif mampaonena
Ny Fitia raha miorompaka, latsaka anaty.
Sanatria raha mba hosena fa Mandramaty
Toy izany angamba akia, ny antsika roa
hiorina mandrakizay ka tsy mba ho lo.
atonamia ( 21/03/2009 15:49)
Eny akia Mangidy raha mba misy anjara tokony omen' ny Ao Ambony ho ahy dia aleoko ho azy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Atonamia
Nampiditra : atonamia
Daty : 18/02/2009 21:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134