Ady mafy (Bob Ramanamiravaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY MAFY

Raha tojo ady mafy ianao
Dia aza atao ny mamoy fo
Fa hevero aloha ny lalanao
Sao tsy sitrak’i Jesoa

Raha ianao no sendra fahoriana
Dia aza adino ny mivavaka
Fa ao ianao no hahita hafaliana
Satria ny Tompo tsy manavaka

Raha toa ny fiainanao no feno alahelo
Dia aza kivy fa mitrakà ihany
Fa sao ianao ho lasa anaty elo
Ka ho feno fahoriana sesilany

Fa raha ianao sendra fanalam-baraka
Dia i Jesoa no ataovy ao an-tsaina
Fa izy no afaka hampitraka
An’ireo rehetra izay mitaraina
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
183 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Bob Ramanamiravaka
Inséré par : Bob Ramananamiraka
Date : 13/04/2024 00:28
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155