HIVAVAKA HO ANAO (Bob Ramanamiravaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ireo rindrina misakanaNy fonao tsy mba hanana
Ny fitempo misento miadankadana
Izany no mba hany fiadanana
Ka ravao aloha izay mety
Ary aza mba miady irery
Sanatria, tsy hoe olona very
F'ilay Avo no hanandratra anao vetivety
Izao moa tsy hoe lavorary
Nefa mino an'ilay Nahary
Hivavaka ho anao aho, minoa
Avy ao am-poko sy sitrany tokoa
Ianao koa tsy hoe matoky tena
Nohon'ny hafa izay nampanantena
Atreho aloha ny zava-misy izay mandalo
Ka ialao raha ohatra ka hita fa fahavalo
Na ao anatin'ny sarotra iny aza
Mitrakà, mivavaha ary aza kivy
Fa raha ny hoe samy mankalaza
Tsy hahatanteraka mihitsy ireo adidy
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob RamanamiravakaNampiditra : Bob Ramananamiraka
Daty : 26/07/2025 13:19
