Namana (Bob Ramanamiravaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry havana sy namana
Mba manàna fihavanana
Satria isika dia tsy mifanaja
Na manam-boninahitra io na manan-kaja



Ny fihavanana mantsy dia tena sarobidy
Fa n'iza n'iza manam-bola fa tsy misy mahavidy
Izay no antony hirariana soa
Mba hitsimbinan'ny Ray azy koa


Ny olombelona dia nisy nahary
Dia tsy iza izany fa i Zanahary
Fa isika raha mizotra ny marina
Dia lasa firenena tafarina


Izany koa no hirarazana
Toy ny fanaon'ny razana
Izany ihany koa no omena
Ho an'izay manam-pahendrena


Bob Ramanamiravaka
--------
Lien:
1455 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0288