Reny (Bob Ramanamiravaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny andro manjombona ireny
No iainako aty rehefa tsy eo i neny
Izy no reny mpizara fitia
Ary tsy tokony ho zimbazimbaina na koa sanatria



Raha ny fitiavako an'i neneiko izay
Dia toy ny afo izay mamaivay
Fa ny fitiavako azy ihany koa
Toa tsy mandry mihitsy fa mifoha



Ny reny dia olona mahatehotia
Fa raha ny fitiavako dia vetivety fa ho doria
Ny fitiavana azy tsy azo atao mandalo
Fa satria betsaka ny fahavalo



Raha ny fitivana omeko azy
Dia fitiavana madio tsy misy vazivazy
Ary tohizako hatrany hatrany
Fa satria ny fitiavako azy tsy mety lany




Bob Ramanamiravaka
--------
Lien:
1216 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Bob Ramanamiravaka
Inséré par : bobramanamiravaka
Date : 13/02/2016 00:21
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157