Sambatra (Bob Ramanamiravaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRANy miaraka amin'ny Tompo dia mahasambatra fanahy
Sambatra ny olona raha manana olon-tiana
Ka raha sendra olana dia izy indrindra no miahy
Satria ny akany dia nataoko ho fandeferana sy fihafiana
Ny Tompo irery ihany no tokony sy afaka hitahiry
Izay afaka manome ny fahombiazan'ny fiainana
Raha sendra ka maratra mampitony mangirifiry
Ary andry sy mpihaino vavaka raha misy fitarainana
Ny Tompo no mamoitraka raha sendra ady mahamay
Manampy hamaha ny olana ary koa tena mankahery
Raha tojo ny fifaliana dia izy nommampitony indray
Sady mahazo matoky ianao fa izy tsy hamela anao ho irery
Mahambatra ny olan-droa mifankatia dia mifampatoky
Milamina tsara ny fiainana ny fifanajana no manjaka
Satria fitia tsara fiantefa sy milamina satria tsy mba soloky
Ka tokantrano tsara fototra dia tsy mora rava miorim-paka
--------
Lien:
