FITIAVANA SY NY TANORA (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanora vao miana-mitia
tsy mahalala ny tokony atao !
Tsarovy ity teniko ity ,
hoe..."Ny fitiavana tsy kilalao !"

Tsy akory aho milaza hoe ratsy
ny oroka sy safosafo
Fa ho fantatrao ihany atsy ho atsy
hoe.." Ny fitiavana anie toy ny afo e!"

Fantaro sy hadihadio...!
Dia fakafakao ihany koa,
io olona iarahanao io ve...
mba tena mitia amin'ny fo ?

Ka raha tena mitady olo-mendrika ?
Izao no aleteho ao antsaina..
ny fitia tsy jerena amin'ny endrika
fa amin'ny toetra sy fomba fiaina !

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Tanora - Fitiavana
374 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145