IRENY POETA IRENY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY POETA IRENY

Ny ao am-pon’ny poeta dia saro-pantarina
Ny hevitra ny azy dia saro-takarina
Ny fihetseham-pony tsy hainao soritana
Ny fiainany mihitsy notsy azo faritana

Ka na misy mandratra aza anie izany fony
Dia zavatra hafa no mody ventsoiny
Fa ny alahelony ny azy feheziny
Dia ianao mamaky indry no ampahereziny

Na mandalo olana aza anie izany fiainany,dia…
Tsy ianao velively no ndeha hitarainany
Fa fotsiny,mody totofany rima
Amin’ny teny sy soratra ianao dia variana

Raha ny azy ireny dia be ny alahelony
Ka nefa tazoniny ho tsiambaratelony
Mazàna izy ireny misento mangina
Ny sorany kosa fenoiny hafaliana

LAVENONA
25/01/22
--------
Lien:
Catégorie : Poety
47 1
Fans: tafitasoa777
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145