KODIARAN-TSARETY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KODIARAN-TSARETY

Kodiaran-tsarety ny fiainana eto
Mivadibadika ambony sy ambany
Ny fahantrana no iainana hatreto fa..
ho tafita kosa indray andro any !

Rampanana hatreto no sendra ny avo
Tsy mba mitsitsy amin'ny vola sy harena
Rakoto kosa etsy ambany sy lavo
mitrongy fa homana mampahonena

ny toaka sy revy amin'ny sandany lafo
Ireny no hanim-pihinan-dRampanana
Rakoto etsy ankilany tsy ampy sakafo
Ariary zato no mba eny antanana

Nandeha ny fotoana ,niova ny volana
indro Rakoto nisodrotra ambony
Rampanana indrisy fa tototry ny olana!
ka zara raha hahita harapaka intsony !

Na mafy aza ny olana, mampitomany
Tsy haharitra ela ary koa vetivety
Ekena mafaitra fa tsarovy hatrany!
Ny fiainana eto ? KODIARAN-TSARETY !

LAVENONA
03/03/2023
--------
Lien:
105 1
Fans: tafitasoa777
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015