NY GITARA (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY GITARA

Gitara no mba namako
Manala fahanginana
Raha sendra ka irery
manainga ireto tanako
Hiventso ampilaminana
Hampikombona ny fery

Eny ,..Io no mahafantatra
ireo zavatra miafina
ao am-poko manontolo
Mihitsy ny ankamantatra
any anaty tsy hay tarafina
dia fiantatr'io daholo

Io gitara io no ...

Fizarako ny alaheloko
Raha sendra ka manjombona
ny fiainana lalovako
Sy ireo tsiambarateloko
Rehefa injay manembona
Ilay alim-pahatsiarovako

Ny Gitara no inoako
Tsy hamadika ahy akory
Fa anilako eo hatrany
Ny fitaovam-pikaloiko
amin'ny andro mampahory
Dia Gitara irery ihany!

io no mba fitendriko
Sy entiko miventso
raha sendra ka tomany
sy mampitsiky ny endriko
Na aza feno sento
Ny fiainako eto an-tany

LAVENONA
21/09/2022
--------
Lien:
Catégorie : Gitara
55 1
Fans: tafitasoa777
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142