TANDREMO RANABAVY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANDREMO RANABAVY

Io fitia io ranabavy ,dia…
Tsy mba kilalao a!
Mba tsy hahasimba ny ho avy
Dia ….ajanony dieny izao
Raha toa tsy mbola vonona
Hitondra tokantrano
Sao ianao hahita angano

Fa io dia lala-mikodàna
Izay alehan’ny tanora
Nefa kosa dia malama
Ka mandehana moramora
Ndao ho potraka eny an-dalana
Vato be no ho lolohavina
Ka omany tsara ny halana

Mantsy ianao tsy mety fay
Fa io anie ka toy ny afo e !
Izay mambomba azy no may
Tandremo sao vidina lafo
Ny toetra tsy voatandrina
Anabavikonianao ka….
Tsy maintsy aho mampitandrina

Ity anadahinao…..
Na dia mbola tsy amin’izany
Sy toka-tena hatramin’izao
Dia mba mahalala ihany hoe..
Ny FITIA dia saro-pady
Tsy kilalao fa sarobidy
Koa tandremo ranabavy a !!

LAVENONA
21/01/22
--------
Lien:
Catégorie : Anabavy - Fananarana
56 1
Fans: tafitasoa777
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155