Sahinao ve ? (Djaw)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo very tsikalakalam-bola Toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Sa ? Aleo very tsikalakalam-pihavanana
Toy izay very tsikalakalam-bola.
Ry Malagasy namana !
Nankaiza ilay soatoavina faha izay ?
Nahoana no manary havana ?
Leo ve sa izy no efa tsy milay ?
Ny vola no maha rangahy.
Kanefa manontany tena ahy.
Sahinao ve ny maka ny an'ny hafa ?
Mipetraka, mijery fotsiny ny anao ho voafafa !
Iza moa ianao ?
Raha very ny maha ianao ianao !
Ary hilamina ve ny sainao ?
Raha very ny hasin'ny Tanindrazanao !
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Fianakaviana