Dia sahinao ve ?? (Echlie Aichlia Honnie)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA SAHINAO VE???

Sahinao namitaka ny foko
Zao lasa tô mitoloko
Ilay fo tena latsa-paka
Voa totohondry no sady voadaka

Malaelo a e!!!
Malaelo a fa mba nanantena
Kay fitaka ilay fanekena
Toky nomenao isankarazany
Voafitakao ilay fahombiazany
Fampanantenaina nomenao rehetra
Tsy mandrakizay kay fa misy fetra

Tsy nampoiziko eee!!!
Voafitakao tanteraka
Fanambatambazana narahina peratra
Ilay nandohalika teo anoloana
De natonao nanjavona lasa mivoana

Fa nahoana eee!!!
Nahoana no de simbaina
Ilay herim-po lasa very maina
Fandresen-dahatra tsy nisy kianina
Resy lahatra lôtra de zao lasa fanina

Andray marary lôtra a!!!
Zao vao tena mazava
Tsy nampoiziko de lasa mitampim-bava
Enao mody mangina tsy miteny
Kay fitak'avokoa no anton'ireny

Nilaz'enao fa
Enao rery no ahy
Kay fandrebirebena ny fanahy
Tena nino aho hoe:tena izay tokoa
Nefa indrisy fa ratra ho an'ny fo

Itomany ahy e!!!
Handeha hanala ny foko
Hitanondrika a de aleo a hitoloko
Fa voaratra lôtra
De lasa tô misafôka

Fa misaotr'anao ary
De mahazoa izay ilaina am nahary
Misaotra tam fitaka izay natolotrao
Mamirifiry ny foko de aleo a handao
Aleo ny lalana isampana roa
Tsy hiverina intsony ataovy ao andou
Fa mirary soa hatrany
Mety alahelo a mety hitomany
Satria tena diso fanantenana
De akiviana sisa no mibahana

Fa velom'e!!!
Veloma de mahita ny tsara
De mahazoa ihany koa izay anjara
Veloma na de tsy mahafoy
Ndana any ankafa indray manohy

De sahinao ve???
Tena sahinao tokoa!!!

Echlie Aichlia Honnie
Princesse Star Of Jesus (EAHPSOJ)
--------
Lien:
231 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143