Manody ny fitia... (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamoy fo manginaAnkehitriny ilay nilaozanao,
Sakaizam-pandriana
Sy ny toaka izy izao
Potika tanteraka ny fiainany rehetra
Fa sendra anao ry olona tsy mba misy fo mitsetra,
Ny hambom-pony sisa no tsy andriany an-tatatra
Fa sendra olon-tsy vanona sady tsy vaky antatra!
Tadidio anefa fa mihodina ny tany:
Androany ianao miravo, rahampitso hitomany,
Tsy ozona na koa farateny sanatria,
Saingy tsarovy foana fa manody ny fitia!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana - Alahelo
Mpakafy:
Azrael666
