Mbola antenaiko (Elysé Azrael)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola antenaiko, eny! Antenaiko foana,Fa izaho sy ilay notiaviko tamin'ny folo taona,
Any volana, any taona, mbola hahaonan'ny fotoana...
Antenaiko ny aminy tsy hisy hiova firy,
Antenaiko ny amiko tsy dia hangirifiry
Raha mihaona aminy
Sy mahita izay tantaniny, (mety ho vadiny io na zanany)...
Antenaiko mantsy fa ho minitra ho anay irery,
Mba hanoneranay ny lasanay rehetra very,
Amin'izay fotoana izay, hifamihina izahay, hifanoroka,
Hifampitsiky, hifampiantoraka...
Antenaiko izany ry Raiko ao ambony,
Antenain'ny foko isan'andro tsy an-kitony...
Antenain'ny foko mijaly oriory,
Antenaiko hatrany, satria ny tany boribory...
--------
Lien:
Fans:
Azrael666
