Tiavo tsotr'izao (Elysé Azrael)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiavo tsotr'izao aho raha toa ka sitrakao,F'izany izao no ilaiko, ilaiko 'zao dia izao,
Tiavo tsotr'izao, tolory ilay fitia
F'izany izao no ilaiko: isika miara-dia!
Tiavo tsotr'izao aho raha misy fo mitempo,
Raha mbola misy embona sy mbola misy sento,
Raha mbola misy sary, raha mbola misy tsiahy,
Tiavo tsotr'izao aho raha mbola te hahita ahy...
Tiavo tsotr'izao aho hahasambatra anao,
Fa fanambiko ho anao: fiainana vaovao!
Tiavo tsotr'izao aho, omeo fitia tapitr'ohatra,
Tiavo dieny izao fa sao sanatria ho tara loatra...
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Azrael666
