"TSORY AMIKO..." (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"TSORY AMIKO..."

Tsory amiko ry Dada sy neny
Hoe: izaho ve zaza very?
no tsy mba avelanareo toa zareo mianatra
tsy mba misy mpananatra.

Tsory amiko ry zoky sy zandry
hoe: isika ve mpiray tampo?
no izaho irery avelanareo miandry
tsy mba misy faharoa.

Tsory amiko ranabavy
hoe: izaho ve tena anadahinao?
no tsy mba avelanao ho avy
hamangy ny tokantranonao.

Tsory amiko ry olon-tiko
hoe: ianao ve tena tia mairina?
fa izaho toa latsaka anaty haizim-pito
nefa tsy mba misy mpanarina

Tsory amiko ry namako
hoe: hatraiza ny amiko?
fa ianareo izay nianteherako
no toa mameno indray ny hatezerako

Tsory amiko ry zareo
fa aza avela mitoreo?
f'izaho anie mba mety leo e!
satria olombelona mitovy aminareo

Tsory amiko ry vazan-tany
hoe: mbola misy tia ahy ve any hoany?
fa ny eto akaikiko toa mandà avoka
satria ve zaho tsy manampaharoa?

Eny eh!Raha izay amiko,mbola eo ny Raiko
ao ambony ao, Izy no hajaiko
fa raha ny eto antany no hitokiana,
Izy irery no azoko ifikirana

26 desambra 2015
Ernest
--------
Rohy:
2188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098