Soratra ho an'ny zazavavin'ny tany (Falisoa Daniel)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy any olona manina anaohitondra fitiavana mamy dia mamy,
maniry ny fo ka te honina ao
ho vitanao ve ny hikimpy amin'izany?
Raha ory izy mantsy fa raiki-pitia
manantena fanafana ka mitalaho,
ho vatranao ve hanamaika ny dia
handositra lavitra hidify amin'izao?
Domohin'ny ainy no tokana an-tany
andrian'ny fony fa voro-nirina,
ho marina ve sa ho nofiny ihany:
akaikin'ny tia,eo anilan'ny tiana?
Falisoa Daniel( coline )
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
coline
Commentaires
NyKanto
(
26/04/2005 15:58)
Eny ho aho ry zazavavin’ny tany
Moa tsapanao ‘ty faniria-mampahory
Ny rindram-pitiavany tomanitany
Te-hiara dia sy hahita tory …
Ny Kanto.
Moa tsapanao ‘ty faniria-mampahory
Ny rindram-pitiavany tomanitany
Te-hiara dia sy hahita tory …
Ny Kanto.