Ny fanahy no olona (Fara Mananjandry)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanahy no olona


Maro no mihevitra mandraka androany
Fa ny vehivavy dia ravaka ihany,
Ary fanaka malemy genagenaina
Sy onda-malefaka fakana aina.

Ny lahy tsy mba ratsy ary tsy hita fery,
Mahazo manandrana, mijerijery.
Fa izay hampakariny dia tadidio
Fa tsy maintsy ho zazavavy "madio" !

Ho an’ny sasany manko, ankehitriny,
Ireo vehivavy dia tahaka ny siny
Antsakana taranaka, ka an-joron-trano
No mipirina rehefa voatovo ny rano.

Satria samihafa, hono, ny herim-batana,
Dia an-dRamatoa ny kifafa amam-patana.
Ralehilahy dia voatendry hihevitra,
Ary Ravehivavy voalahatra handefitra.

Tombanan’ny sasany ho mamarara
Ny andriambavilanitra manan-kambara,
Fa ny akoho vavy maneno, hono, mantsy,
Toa sampona ka sao voarasan’ny antsy.

Aleo iomehezana fotsiny izany,
Toy izay hahatezitra na hampitomany,
Fa efa fisainana raiki-tampisaka :
Sarotra ahitsy, tsy zaka ahisaka…

Fa raha mbola azo atao koa ny mihaino
Sy miova famindra, dia izao no mba saino :
Ny maha olombelona dia ny fanahy,
Ka mitovy ny hasin’ny vavy sy lahy.
.




Fara Mananjandry
Anosimasina, alakamisy 19 janoary 2006
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
2463 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fara Mananjandry
Inséré par : vahindanitra
Date : 17/04/2008 11:43
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135