Rehareha (Fara Mananjandry)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehareha


Be ny toerana nalehako, tao ny soa, tao ny tsara,
fa tokana ny reharehako dia i Madagasikara !
Nianarako ny teny hafa isaky ny niova lasy
fa tiako indrindra ny mitafa amin’ny Teny Malagasy !

Nivezivezy aho nandranto nefa tsy nitady harena,
fa nikaroka ny kanto ary koa ny fahendrena
hahafahako manohy ilay Tolom-panafahana
ny Nosy tiako, izay voarohy ao anaty fanjanahana.

Na ho mafy, na ho sarotra aza ny asa mbola miandry,
tsy hasiako ady varotra : na vola io na herin-tsandry
no hotakian’ny Tolona amiko dia homeko an-tsitrapo,
raha hamerina amin’ny Taniko ny Fiandrianana sy Zo.

Ary izay rehetra ananako dia tsy misy hotsitsiana,
Mba hahazoan’ny taranako Fahafahana any aoriana,
ka mba hireharehan’ireo zanaka amam-para
izany hoe "teratany" eto Madagasikara.


Fara Mananjandry
Anosimasina, alatsinainy 9 aogositra 2004
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1145 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fara Mananjandry
Inséré par : vahindanitra
Date : 17/04/2008 11:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158