Ankiziny taloha (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKIZINY TALOHA
Malala a!Ndeha vonjeo fa
Efa sasa-miandry ao anelakelan-trano ao
Ilay olon-tianao vaovao!
Miandry anao hamihina
Miandry anao hanoroka sy hanafosafo.
Hitako izy teo fa nodiako tsy nahalala
Saika hiarahaba ahy ihany izy
Nefa avy eo nisalasala,sy vahobaho-bava.
Fa ny hany nataony ahy?
Dia nanontany fotsiny ny trano misy antsika

Gagagaga ihany aho ny tamin'izany
Satria notsindriany mafy tao ny anaranao
Nalefaka fiteny aho teo am-pamaliana
Hoe:tsy maninona letsy a!aleo antsoy izy
Dia lasa iny aho ny avy eo niditra ny trano,
Tsy nitabataba akory,fa nangina dia nangina
Nambarako azy avy teo hoe:
Malala a!Ndeha vonjeo fa
Efa sasa-miandry ao anelakelan-trano ao
ilay olon-tianao vaovao.

Nanganohano kely aho,nibanjina ny masony
Dia nangina,namonjy ny fandriana
Tsy nino mihitsy izy raha nilazako hoe
Dia Efa vitanao tokoa ny nampirafy ahy?
Nekeko fa tsy naninona
Nampanginiko ny foko,nahondriko ny lohako
Dia resin-tory teo
Tsy naharé akory ny donadonan-trano
Tsy naharé akory ny antsoantson'ilay malalako.

Niantso ahy izy avy eo
Niantso mba ho vohaina fa efa tonga hono
Ny foko rehefa tony,tsy nisamboaravoara intsony
Dia namoha azy rehefa avy teo.
Tsy nanadihady akory,tsy mba nanontany koa
Fa izy no nimaona hoe:ankiziko taloha re iny a
Aza atao mahatezitra,na koa hahakivikivy.
RaryNofy
--------
Rohy:
1392 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115