Any ho any izao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY HO ANY IZAO

Any ho any izao,misy ako mitaraina mitalaho mba ho henoinao
Any ho any izao,misy sary mifamaho miandry ho hatao
Avy ho any izao ,misy kalo miandrandra mba ho vetsoina,
Any ho any izao,misy hira mifamahofa,manantena ny ho kaloina.
Any ho any izao,misy ainga miakatra,tsy misy mpampiasa

Any ho any izao, misy olona,manantena miandry anao,
Any ho any izao,misy tia,tsy mitsaha-mivavaka,mba ho tiavinao
Any ho any izao,misy fo,mitempo isa-minitra,mitempotempo ho anao
Any ho any izao,misy tiana tsy miraharaha,fa manao ankilabao.
Any ho any izao,misy olona iray tsy mitsahatra ny mahatsiaro,manembona isan'ora

Any ho any izao,misy feo,manakoako,mitrahotraho mila vonjy
Any ho any izao,misy olona voaroba,miantsoantso mafy fa tsy nisy,mpamonjy,mpijery
Any ho any izao,misy fianakaviana,mahantra tsy manana trano hialofana,
Any ho any izao,misy mpangataka,mivihivihin'ny hatsiaka irery fa tsy misy hirakofana.
Any ho any izao,misy singan'olon-drery,manantena namana anefa tsy misy mpandray

Any ho any izao,misy tsiky, hafaliana kely iray nantenainy fa tsy mba tonga
Any ho any izao,misy alahelo, mahakivy,mahaketraka,tsy nantsoiny kanefa dia tamÿ
Any ho any izao,misy embona,tsy mety afaka,hitambaran'ireo tadidy sy tsiahy
Any ho any izao,misy nofy mamy efa nandrasany ela dia ela,hatrizay anefa dia nibilila
Any ho any izao,misy teny mamy,tsy afaka am-bavany,fa tsy misy ny hanolorana.

Any ho any izao,misy hazo vao maniry,miandrandra tondraka anefa tsy mba misy orana,
Any ho any izao,misy vony te hamelana,hivelatra,anefa voafaintin'ny tantely
Any ho any izao,misy olona mitady fahasambarana anefa tsy mba misy mpanomé,mpampisambatra,
Any ho any izao,misy nofy tsara tiany sy hiriany kanefa tsy mety ho tanteraka
Any ho any izao,misy vorona misioka,manantena mpihaino,anefa tsy misy mpahita,
Any ho any misy olona mikatsam-pivoarana lalina,anefa tsy mety mahita fahalalana,
Any ho any izao misy tanora tsy miraraha fiainana akory anefa manantena ny ho tafita,
--------
Rohy:
1277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213