Fanahiny feno ankaso (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANAHINY FENO ANKASO

Ry lanitra manga mamerovero;
Ahitako ilay tsingerin'ny tsy ambara-telo!
Miafina mantsy tsy hita intsony;
Irony masoandro be mihiratra irony!
Niandry,niandry ny mba hiposahany;
Onena ny foko hitopy mankany.
Any ami'ilay paradisa any ankoatra any ho any;
Ry iNeny malala nialoha lalana nankany.
Iriako ny fo-ny ho sambatra izao;
Ny fanahiny mantsy efa lasa any an-koatra;
Any amin'ilay tany tsy hita maso;
Lasa nandao ity tany ity;
Izay be fahoriana,feno fijaliana;
Natelin'ny tany ny vatany izao;
Alam-bero sisa no tazan'ny maso.
"Ny fanahin'i Neny" Maharavo.A
--------
Lien:
678 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152