Ry mamin'ny foko o! (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry mamin'ny foko o!
Engao ny hiranao;
Fa izao fotoana anio izao;
No mba fetinao!

Ry mamin'ny foko o!
Atombohy ny vetsonao;
Hikalo,hanoratra tononkalo;
Ho an'ity mba maminao!

Ry mamin'ny foko o!
Atsikio ny endrikao;
Mba ho faly,ravo;
Amin'izao anio izao!

Ry mamin'ny foko o!
Atrakao ny lohanao;
Ka mba ho miramirana;
Izato fanahinao.

Ry mamin'ny foko o!
Afenony ny sentonao;
Ka kaloy moramora;
Ao anaty nofy ao!
Ary ataovy am-pahanginana!

RaryNofy
--------
Rohy:
959 1
Mpakafy: rrandriasamuel
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148