Soratra (Rary Nofy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nolazaina fa...Ny soratra mitoetra!
Mananatra sy manabe!!
Manatsara ny tsy mety;
Nambarany ombeny;
Fa ny soratra dia teny!
Manambara haren-tsaina;
Hampisondrotra ny fisaina!
Io soratra io sakaiza;
Manampy sy mitaiza;
Mampifandray ihany koa indraindray;
An'ireo olom-belons tsirairay!
Ny soratra mantsy iky!
Mampiray,mampifandray ny mpifankatia;
Mampilamina ny fiainana;
Mampalefy ny fitarainana!!
Fatals 07.11.2015
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Eritreritra mandalo