Tafatafan'ny fanahy (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAFATAFAN'NY FANAHY
Ato an'efitra mangina aho
No miandry anao ombeny!
Maminavina,mieritreritra sao
Sao lahy ho lasa nofy ireny.

Ireny lasa nihaonantsika;
Tany anaty eritreritra;
Ilay nahitako anao sariaka;
Ka hikotrika ao ampon'ny mpitsiriritra.

Ato anaty alin'nofy aho;
No miandradra hitafatafa;
Hiresa-dresaka aminao;
Fa tsy hoe"hihafahafa,hifanatsafa.

Hisehoseho foana aho;
Ao an'eritreritrao!
Hiantsampy an-tratranao;
Fa tsy hoe"hitalaho.

Hoavy any re aho;
Tsy hitabataba akory;
Fa hanantona,moramora anao;
Rehefa iny ianao matory.

Hitsaitsaika tsimoramora;
Fa tsy higadona fandeha;
Rehefa tafafoha ianao isaky ny iray ora;
Dia hifandray indray isika ka hirehareha;

Eny avelan'ny natiora;
Ny fotoana hiaonantsika;
Fa raha tsy tonga eny aho miora;
Dia ho foana ny nofintsika.
Maharavo.A 17.05.2017 21:20
Analakely-Madagasikara
--------
Lien:
765 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209