Takona ve? (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ianao:
Takona ve ny fahamarinana?
Fa voavidin'ny vola ny tontolo!
Sarona ve ny fahanginana?
Fa lasa ny ratsy no manjaka
Manjakazaka eto an-tany!

Maro ny mpanaratsy;
Be koa ireo kolikoly,halabotry!
Ady lava,tsy fitoviana;
Na eo amin'ny fiaraha-monina na eo amin'ny fianakaviana!

Takona ve ny marina?
Sa ny ratsy mpanimba,mpisompatra no mitraotra!
Mitraotra hameno ny tany.
(...)
Izany ve dia ho rariny?
Ny ataon'ireo mpandika lalàna sy ny tariny!
Toa miezaka manimba
Toa miezaka manafina
Itony fahamarinana itony!


Ny olo-marina anie ka hangina e!
Fa ianao no toa mitata lava;
Miezaka ny hanaratsy,hanatsatso azy e!
Ka handrendrika anatin'ny hady!.


Maharavo.A
--------
Lien:
1486 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148