VAVAKA (Felandrano)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô
Iangaviako indrindra Ianao
Mba henoy re ity hatako
Hitalahoako ihany koa
Mba valio izany vavako
Fa tomany sy taraina
No mameno izany tavako
Fa mampiferin'aina
Raha izany fiainam-pitiavako

Iangaviako Ianao sitrano
Izany foko feno ratra
Eny,miangavy aho Ray mba tantano
Ity fitiavako mahantra
Toroy lalana aho tsy hianjera
Intsony tsy hahatsiaro
Ilay izaho mba nanantena
Miangavy aho Ray mba fohano

Fa reraka ny foko
Reraka ny saiko
Ka indro aho mitoloko
Mba tohano re ry Raiko
Fa Ianao no tena hantenaina
Hanasitrana ny fery
Ka ireo jaly sy taraina
Hiangaviako,soloy hery

Felandrano
4-03-2023
17:07
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
166 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Felandrano
Inséré par : Felandrano
Date : 02/04/2024 10:44
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134