Ampidiro aloha ny tenimiafina
'Lay tsikinao (Fenotsoa)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Lay tsikinaoNa ilay tsikinao aza
ampy, eny, hanazava
ny làlana ho diaviko
ary koa hampisava
ny adim-panahiko.
Na ilay tsikinao aza
eny, ampy, handrava
ireo sakantsakana
Hampifaly lalandava
ny tsy salama vatana.
Fa raha ianao no tsy mitsiky
tena mafy amiko mihitsy iky!
30 Aprily 2006
--------
Lien:
