TSY AHY (fily)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AHY
ianao dia ianao irery ihany
no tiako indrindra eto an-tany,
fa nahafeno ny idealiko
manoloana ny fitiavako;
d'ilay fitia nandrandraiko
nantenaiko,
hiadanan'ny fanahiko...!

kanjo indrisy...!
toa rendrika sahady?

fa ny lakakelin'ny fitiavako
no tojo Nosy izay niriny,
dia faly,
ravo,
finaritra...!

kanjo, toerana efa manan-tompo
ilay tanjona niakarany
ho kitro ifaharany,
dia nasesik'onja mba hiverina...!

alahelom-piononana
no iainana ato anaty
ratram-po mandra-maty...!

eny, veloma ianao
ry malalako,
izay tsy foiko
nefa tsy ahy.
aza hadinoina !lay fitiavako
niantefa taminao,
tsy nahy...!
--------
Lien:
1216 1
Fans: tsiou1482
Commentaires
tsiou1482 ( 04/02/2011 10:59)
Na dia eo aza ilay fitiavana izay miredareda tokoa, saingy diso fiantefa ihany, aleo mamoy azy toy ny tsy misy. Sao hanimba ny tena indray andro any.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : fily
Inséré par : valo400
Date : 03/10/2007 11:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141