Anatra (Finidy NyAndry)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANATRA
Notiaviny ve Dia hitia azy hianao
Ry foko efa trotraky ny onjan'ny tany?
Ka hinia tsy ahatsiaro ny lasa nandao
Hanary lamba lalovany androany?

Notiaviny ve Dia handreda fitia
Tsy hamantatra akory ny toerana haleha?
Tsarovy ry foko fa hianao Malia
Tsy ho zakanao mihitsy ny didikofehy
Hiainan'ny ngeza eto antanàna

Mihitsy aza mihambo ho manampanala
Ka hitantana kintan'ny lanitra ambony
Fa inona hianao no antsoiny hoe Malala?
Ny fisianao eto ary tsy fantany akory

Lazalazaiko sy averiko ihany
Mitiava ny mendrika, sahaza anao koa
Fa aza tomany ny ivelan'izany e
Malia hianao ,ndrao harary fo.

Finidy NyAndry
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
168 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Finidy NyAndry
Inséré par : Finidy NyAndry
Date : 17/09/2023 04:14
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145